Fifamoivoizana

Loza teny Tsarasaotra Nitolo-batana ilay mpamily nahafaty olona


  • Zoma 17 Aprily 2020

Lehilahy iray nitaingina bisikileta no maty tsy tra-drano teny amin’ny lalam-baovao Tsarasaotra mivoaka an’Ivato omaly maraina tokony ho tamin’ny 9ora.

 

 

Nofahon’ny fiara tsy mataho-dàlana marika V8 miloko “gris” nandeha mafy dia mafy no nandona azy io, raha ny vaovao azo. Nitsoaka nirifatra avy hatrany izy io noho ny mety ho tahotra ny fitsaram-bahoaka, saingy nisy naharay ny laharany dia 28... T…. Nitonon-tena teny amin’ny biraon’ny zandary teny Mandrosoa Ivato moa ny mpamily sy ny fiara nentiny, raha ny vaovao azo. Efa eo am-pelantanan’ny mpitandro filaminana noho izany ity raharaha ity ary mandeha ny fanadihadiana. Nisesisesy tato ho ato izay ny lozam-pifamoivoizana; maro ny olona mandeha an-tongotra na mitondra bisikileta eny an-dalana eny, ny mpamily sasany mitondra fiara etsy ankilany mandeha mafy mahita ny arabe malalaka, ka izay matetika no mahatonga ny loza tahaka izao.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT