Loza teny Tanjombato

Fiara « 4x4 » nahafaty olona nandositra


  • Alatsinainy 05 Febroary 2024

Andro alina ny zoma 2 febroary 2024 teo tamin’ny 9 ora sasany

alina teo ho eo dia nisy fiara 4x4 nirifatra teo Tanjombato, am-pitan'ny France Pub ary nandona mafy olona iray izay marihiko fa mpiasa ato aminay, hoy ny tompona orinasa iray eny an-toerana nampita vaovao. “Manœuvre BTP” na mpanao trano tato, hoy izy. Nitsaoka fa tsy nijanona io 4x4 io tamin’io fotoana io ary nenjehina fa tsy tratra mihitsy fa dia nanao “départ américain”. Io olona niasa tato io dia olona tsy mba manana havana na iza na iza eto Antananarivo fa any Betafo no tena misy azy. Na kara-panondro aza tsy nananany fa dia noho ny fahatsoram-ponay dia noraisinay an-tanan-droa izy hiasa ary tena niasa tamin’ny fo manontolo. Tsy nanana olana tamin’ny fiarahamonina na kely ary. Eto aho dia mampilaza anao ry saofera fa maty anio (TTF: ny sabotsy 3 febroary teo) tamin’ny 12 ora sy fahefany tao amin'ny HJRA izy ka hoy aho hoe manodiava anao ny nataonao ary izahay tsy olonolom-poana ka hanaiky tsy fidiny fa dia efa mandeha ny fanadihadiana amin'ny izao fotoana, hoy hatrany ity tompona orinasa ity naneho ny alahelony.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT