LOZA TENY MAHAMASINA

Tranga tokony hitarika fanovana goavana amin’ny taksibe


  • Alatsinainy 22 Janoary 2024

Nodimandry ilay tovolahy nitondra moto nodomina avy eo voataritarika tao ambanin'ilay Taxi be

teny Mahamasina. Saika nitsoaka ilay mpamily taxibe fa voasambotry ny olona ihany ary efa niharan'ny fitsaram-bahoaka. Tonga moa ny mpitandro filaminana ary efa naka azy. Voalaza fa efa nandona olona tany Tsimbazaza ity Taxibe zotra 154 ity, ka nisy andiana moto nanenjika azy sy niteny taminy mba hijanona, saingy izao no niafaran'ny tantara. Be famaliana be no sady mbola nanao vava be ho tsy matahotra na iza na iza ilay mpamily, hoy ireo nanatri-maso teny an-toerana . Hoy ny fijoroana vavolombelona nataona mpandeha iray : « nandeha an’io Taxi be io aho ary tena mirimorimo, mangalatra aty amin’ny ilay avia amin’ny arabe, mivily tampoka rehefa akaiky ny fiara mifanena aminy. Ny resevera no nitondra fa hoe mbola mifoka sigara any aoriana any ny saofera. » Tranga iray mampalahelo iny namoizana ain’olona, saingy efa maro ireo zava-miseho ataon’ny mpamily sy ny reseverana Taxibe mampitaraina ny mpandeha : loto, tsy fahalalam-pomba, teny an’avona, teny ratsy, mifoka sigara anaty fiara, mifanenjika, miodina an-dalana. Tsy azo resahana milamina fa vao tenenina dia hoe mandehana taxi na manidina rehefa tsy mety aminareo ato. Tsy ny mpamily rehetra na ny koperativa rehetra no misy an’izany fa tena misy kosa anefa. Tsotra ny vahaolana : mila masontsivana mazava tsara ny fandraisana mpamily sy resevera hiasa satria ain’olona no eo am-pelatanan’izy ireo. Tokony hisy ny fiofanana, zavatra efa natao teto izany tamin’ny fitondrana Ravalomanana. Ary fanao amin’ny sehatr’asa rehetra fa tsy hoe amin’ny fitateram-bahoaka ihany.Asiana tomban’ezaka, asiana fanaraha-maso , atao avy eo ny fanatsarana satria mila fahaizana amam-pahalalana ny asa raha tiana ho vita tsara sy tena matihanina ary hahazoam-bokatra tsara. Mila fandaminana asa matotra ihany koa ny koperativa sy ireo tompona fiara fa matetika mirehareha ho manana « patron » matanjaka sy mafy be ny mpamily ka milaza fa tsy matahotra na iza na iza. Mbola resaka hafa mila vahaolana matotra ilay mametraka kely amin’ny polisy.
RTT
Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT