Fifamoivoizana

Loza teny Ankazobe Olona maro no hidoboka am-ponja


  • Zoma 04 Aogositra 2017

Mandeha ny fanadihadiana momba ny antony nahatonga marina ny loza ka nampivadika ilay fiarabe teny Ankazobe ka nahafatesana olona 20 mahery, araka ny resaka nifanaovana tamin’ny kolonely Ravoavy Zafisambatra, lehiben’ny Emmo reg Analamanga omaly.

 Ny zandarimariam-pirenena no manao ny fanadihadiana ary tsy maintsy jerena daholo ny zavatra rehetra fa tsy misy azo avela, hoy ny lehiben’ny Emmo reg ; tahaka ny hoe nahoana no 75 no zakan’ilay fiara be kanefa 120 ny olona tao anatiny miaraka amina entana ? Ahoana marina ny lafiny ara-teknika momba io fiara io, iza no tompon’andraikitra nanome alalana azy hiainga avy any Soavinandriana Itasy ka ho any Mahajanga. Eo ihany koa ny hoe : nahoana no afaka nandeha soamantsara io fiara io kanefa nandalo sakana mpitandro filaminana maro teny amin’ny RN 1 sy RN 4 vao tonga teny Ankazobe ?Lasa miteraka adihevitra ny resaka fitaterana sy fanaovana itony hoe « spécial » itony noho io loza teny Ankazobe io. Na misy na tsy misy aloha fanadihadiana dia efa mazava ny fandikan-dalàna tamin’ny isan’ny olona nentina satria tsy voahaja izany ny tao anatin’ny « carte grise ». Tsy maintsy misy ny olona hadihadiana momba an’io tahaka ny saofera, ny tompon’ny fiara ary izay fiangonana nihavian’ireo olona nitaingina ilay « boeing ». Ny isan’ny olona izany efa mihoatra 45 amin’ny ara-dalàna kanefa mbola niampy entana, dia azo sary an-tsaina tsara fa nizaka ny tsy eran’ny ainy ilay fiara. Nampibaribary be ny tandrevaka amin’ny resaka fanaraha-maso ataon’ny mpitandro filaminana eny amin’ny làlampirenena ihany koa ity tranga mampalahelo iray ity fa hay kay ka mety  tazana ivelany sy tomba-maso fotsiny izany no natao ka tsy nahitana fa feno hipoka mihoatra ny eken’ny lalàna ilay fiara. Efa nanome baiko hentitra moa ny filohampirenena ny amin’ny hanaovana fanadihadiana lalina koa dia ho hita eo ny vokany satria tsy azo ialokalofana noho ny tandrevaka sy ny gaboraraka mihitsy ny resaka finoana, ka boriboriana fotsiny ny resaka hoe : «  efa izay no sitrapon’Andriamanitra ». Nisy fandikan-dalàna tao, misy tompon’andraikitra tsy nahavita ny asany araka ny tokony  ho izy dia tokony hipoitra ny marina ary ampiharina ny lalàna izany hoe aorian’ny fanadihadiana sy fanagonana ny porofo dia handeha ny fitsarana ary tsy maintsy hisy ny fampidirana am-ponja. Farany dia efa fanairana lehibe ho an’ny ministeran’ny fitaterana ny zavatra tahaka izao satria be loatra ny gaboraraka amin’io sehatra io ; misy ny mpitatitra manao izay tiany sy hahazoany vola fotsiny fa tsy mihevitra ny hanaja lalàna sy bokin’andraikitra izany mihitsy ; mandeha rahateo moa ny kolikoly ka maro no mody tsy mahita ny fandikan-dalàna ; rehefa mitranga foana ve ny loza mahatsiravina vao hoe : ho hentitra amin’izay manomboka izao !


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT