Fifamoivoizana

Loza teny Ankadindratombo Maty ilay tovolahy voahitsaky ny kamiao


  • Talata 14 Febroary 2023

Fantatra omaly maraina, fa tsy tana ny ain’ilay tovolahikely vao 16 iray amin’ireo olona telo voahitsaky ny kamiao mpitondra tany an’ny tetikasan’ny Filoham-pirenena na

Projet présidentiel » teny amin’ny By Pass Ankadindratombo ny marain’ny alahady teo. Mbola samy nisy aina izy telo, rehefa avy nesorina tao ambany kodiarana saingy tsy tana kosa ny ain’ilay tovolahy taorian’ny fandidiana natao azy. Ny tapany ambany moa no voatsindry tanteraka tao ambanin’ilay kamio, ary mbola afaka nihetsika ny tapany ambony tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza, kinanjo izao tsy tana izao ny ainy. Voalaza fa mbola tsy nisy fianankaviany tonga teny amin’ny hopitaly hatramin’ny omaly misandratr’andro. Avotra soamantsara kosa ireo olona roa hafa, saingy mbola manaraka fitsaboana satria tena voa mafy. Momba ilay fiara kosa, voalaza fa ara-dalàna avokoa ny taratasin’ny fiara raha toa ka mbola eo an-dalana fanaovana fanadihadiana ny mpitandro filaminana momba ny fitaomana ranontany ataony na ara-dalàna na tsia. Notazonin’ny mpitandro ny filaminana tao amin’ny Kaomisarian’Alasora kosa ilay mpamily.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT