Fifamoivoizana

Loza teny Andraharo Mbola hifampitadiavana ilay moto nahafaty zaza


  • Talata 08 Novambra 2022

Zazalahy kely vao telo taona monja izany hoe : irony karazany vao miana-mandeha ireny no nofaohan’ny moto teny Andraharo ny faran’ny herinandro teo.

Raha araka ny fantatra dia zanak’ireo mpivarotra eny amin’ny manodidina izy io. Tsy arak’ilay Reniny intsony araka izany ny fandraisana ireo mpividy sy ny fanaraha-maso ilay zaza ka izao nidiran’andro izao ilay tsy manan-tsiny.Dona in-droa no nahazo ity zaza ity, hoy ireo nanatri-maso. Nipitika ilay zaza tamin’ny voalohany saingy mbola voadona fanindroany indray. Voadona mafy vokatr’izany ny lohany, antony namoizan’ilay zaza ny ain-dehibeny. Ilay moto ihany koa teo an-daniny tsy nijanona fa lasa nandositra, hoy ireo nanatri-maso. Mbola nifampitadiavana moa hatramin’ny omaly io moto nahavanon-doza io.
Nangonin’i Pati
Legende : Teto ilay zaza no voa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT