Fifamoivoizana

Loza teny Andohatapenaka Nikarepoka tao ilay mpitari-tsarety


  • Alarobia 05 Septambra 2018

Tery tao anelanelan’ny fiara 4X4 pick-up sy taksibe mampitohy an’i 67ha amin’Ampangabe Ambohitrimanjaka ny mpitarika sarety entin-tanana feno biriky tamin’ny loza nitranga tetsy Andohatapenaka, omaly antoandro.

 

 

 Nitsoriaka hamonjy ny RN58 A ilay 4X4, nefa ilay taksibe mandeha. Niezaka niala ilay taksibe nefa ilay sarety efa antomotra teo alohany tsy azo nialana noho ny vesatra sy ny hafainganam-pandeha, ka dia nikarepoka ireo fiara roa, ary tafiditra tao anelanelany ilay sarety. Voatery nakisaka ilay taksibe nisokirana ilay mpitarika sarety tery tao anelanelany. Nentina maika ao amin’ny hopitaly manarapenitra ilay lehilahy nanavotana ny ainy.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT