Fifamoivoizana

Loza teny Andoharanofotsy Tapatapaka ary maty tsy tra-drano ilay mpitondra moto


  • Alatsinainy 06 Aogositra 2018

Nisehoana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina teo akaikin’ny fivarota-mofo “Point Chaud” Andoharanofotsy ny alin’ny zoma hifoha sabotsy 4 aogositra teo.

 

 Fiara vaovao iray avy any Iavoloha no nifandona tamin’ny lehilahy iray nitondra  moto,  saika hamonjy fodiana ao Mandrimena Andoharanofotsy raha ny fitantaran’ireo nanatri-maso. Voalaza fa nirimorimo be ity fiara ity. Saika hirifatra hitsoaka ny mpamilin’ilay fiara saingy noho ny olana ara-teknika nahavoa ilay fiara taorian’ilay fifandonana mafy dia tafajanona tsy afaka nandeha intsony izy. Tamin’izay no nahitan’ireo rehetra nanodidina fa mamo ity lehilahy nitondra fiara ity. Fotoana fohy taorian’ny nitrangan’ny loza dia maty ilay lehilahy nitondra ilay “moto” noho ireo ratra maro nahazo azy. Teo amin’ilay toerana nisehoan’ny loza ihany moa no nanaovana ny fizahana ny nofo mangatsiakan’i R. V. Tapaka ny hatony sy ny lamosiny, ny tongony ary ny tanany. Nisy niongotra koa ny ampahany tamin’ny rantsan-tanany. Fantatra fa nisy sakaosy nisy zavatra samihafa sy fakantsary nomerika teny amin’itompokolahy, saingy tsy hita fa lasan’ireo mpanararaotra.  Araka ny vaovao farany azo dia hiakatra fitsarana anio alatsinainy ilay tovolahy mpamilin’ilay fiara. Manaraka akaiky ny ho fizotry ny fitsarana ny fianakavian’ny maty satria manana ahiahy ny amin’ny fihetsiky ny havan’ilay nitondra ny fiara ka andrasana izay ho tohin’ity raharaha iray ity.

 

RTT

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT