Fifamoivoizana

Loza teny Andoharanofotsy Nitsirara teo amin’ny arabe ilay vehivavy


  • Alakamisy 03 Septambra 2020

Vehivavy iray niampita arabe omaly maraina teny Andoharanofotsy no voadonan’ny moto ka torana mihitsy.

 

 

Raha ny fanazavana azo dia lehilahy no nitondra ilay kodiaran-droa izay tsy voafaritra mazava na nandeha mafy na tsia. Nipitika mihitsy moa ilay moto nandritra ny fotoana nitrangan’ny loza. Nangidy ho an’ilay Ramatoa niaraka tamin’ity tovovavy ity ny nahita azy tsy nahatsiaro tena. Nentina avy hatrany tany amin’ny hopitaly moa ilay voadona ka fantatra tamin’izany fa roa isan’andro raha kely ireo olona lasibatry ny loza ateraky ny moto tonga manatona etsy amin’ny vonjy aina etsy amin’ny hôpitaly HJRA isan’andro. Misy amin’izy ireny no tena voa mafy mihitsy ka nahatonga ireo olona maro tao anaty tambajotran-tserasera niantso ny rehetra mba samy hitandrina amin’ny moto, indrindra fa ireo mamily sy mitondra izany.

Nangonin’i Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT