Mbola manaraka fitsaboana Tovovavy kely iray antsoina hoe : Tendry ny faran’ny herinandro teo no nodomina fiara kangoo fotsy iray teny amin’ny tobim-piantsonana eny Amboditsiry ka lasa nitsoaka ity farany na dia efa nosakanan’ny olona teny amin’ny manodidina aza.
Niezaka nifanampy tamin’ireto farany anefa ny mpitandro ny filaminana, azon’ny fokonolona rahateo ny laharan’ilay fiara ka teny Anjanahary no tratra. Raha araka ny fantatra moa dia zanak’olona sahirana ry Tendry. Mirahavavy izy no mipetraka eto Antananarivo raha avy any Antsirabe kosa no fiaviany. Torana i Tendry nandritra ny fotoana nahavoadona azy. Fanina no niandohan’izany ary niha-nivonto tsikelikely ny lohany. Ny polisin’ny Boriborintany fahatelo moa sy ny polisy ao Amboditsiry moa no nanampy azy mirahavavy kely ireto nahatrarana ilay fiara izay hisaorany manokana. Notazonina eny Tsaralalana moa ilay mpamily raha nalefa teny amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha kosa i Tendry manaraka ny fitsaboana sahaza azy. Miantso ireo olona tsara sitra-po na fikambanana vonona ny hifanampy aminy moa izy mirahavavy kely ireto amin’izao voina mianjady aminy izao. Ny laharam-pinday 034 83 157 06 no hahafahana miresaka na mifandray mivantana amin’izy ireo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.