Loza tany Sambaina RN 7

Maty ny mpanamory ilay moto nanao taingin-droa


  • Alatsinainy 11 Septambra 2023

Moto iray marika kymco gp (lazaina ho 49CC) nanao taingin-droa izay samy tsy nanao aroloha no fantatra fa niharan-doza

tany Sambaina, lalam-pirenena fahafito, PK 133+750 ny faran’ny herinandro teo . Ivelan’ny tanana teo amin’ny fiakarana sady fiolanana no nitrangan’ny loza vokatry ny tsy fahafehezan’ilay mpamily ny familiana. Nidona tamin'ny fiarabe izay mifanena aminy izy ireo vokatr’izany ka vaky ny kodiarana aorian'ilay fiara. Maty kosa ny mpamily ilay moto raha naratra mafy ilay niaraka taminy. Ankoatra ity loza mahatsiravina ity dia fiara 4x4 iray marika kia sorento ihany koa no nandona mpandeha an-tongotra, mbola tany amin’ny Faritra Vakinankaratra ihany. Tao Vinaninkarena pk 178+850 no nitrangan’izany izay lalana mahitsy anaty tanàna. Lehilahy iray 40 taona sy zaza 7 taona no naratra rehefa niampita tampoka ny arabe. Na izany aza efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy izy mianaka ary tsy misy ahiana ny ainy.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandriaka tahaka izao ny ra tamin’ilay moto tra-doza !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT