Fifamoivoizana

Loza tany Bemasoandro - RN1 Tapa-tongotra ilay vehivavy nitaingina moto


  • Talata 24 Mey 2022

Nitrangana lozam-pifamoivoizana tany amin’ny kaominina ambanivohitra Bemasoandro, lalam-pirenena voalohany ny faran’ny herinandro teo.

Moto iray no nifandona tamina fiara iray ka tapaka vokatr’izany ny tongotr’ilay vehivavy nitaingina taoriana raha nipitika ihany koa ilay moto. Nentina avy hatrany tao amin'ny hopitaliben’ Imerintsiatosika moa ilay naratra. Raha araka ny loharanom-baovao azo hatrany dia anisan’ny nahatonga ny loza ny hamamoan’ilay mpamily izay nandeha mafy ka nifaoka ilay moto. Efa nosokafana moa ny fanadihadiana mifandraika amin’izany ka ny mpitandro ny filaminana ihany no tena manamarina ny vaovao. Ho an’ireo mpitondra kodiaran-droa manokana moa dia nomarihin’izy ireo fa tsy voatery ny moto hatrany no diso. Na dia misy mitandrina fatratra aza mantsy izy ireo dia maro amin’ireo fiara ihany koa no manao fanahiniana, antony mety hamoizana aina na handratrana olona indraindray. Ny aina lasa anefa tsy miverina intsony ary ny ratsam-batana tapaka tsy misy mivarotra noho izany tokony samy hitandrina sy hifanaja ny tsirairay.
Nangonin’i Pati
Legende : Tahaka izao ny nanjo ilay moto
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT