Fifamoivoizana

Loza tany Bekabija Ambatolampy Zaza 2 namoy ny ainy, olona 4 hafa naratra mafy


  • Alakamisy 06 Jolay 2023

Zaza roa tsy manan-tsiny tombanana eo amin’ny 2 sy 4 taona eo ho eo no fantatra fa namoy ny ainy omaly vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga tao Bekabija Ambatolampy,

Fokontany Morarano, kaominina ambanivohitra Sarobaratra. Kamio iray nitondra entana no nivadika tamin’izany, 45 km tsy hidirana an’i Tsaratanana. Ankoatra iretsy voalohany dia olona 4 hafa ihany koa no naratra mafy ary mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny CSB II Ambondromamy hatramin’ny omaly hariva, fotoana nahazoanay ny vaovao. Raha araka ny fantatra dia olona hiazo an’i Tsaratanana izy ireo izay mbola tsy fantatra mazava ny isany hatreto. Amin’ny ankapobeny mantsy dia misy hatrany ireo olona mitaingina kamiao fa tsy mandeha taxi-brousse amin’izay mba moramora kokoa ny saran-dalana aloha. Efa eo am-pelatanan'ny mpitandro filaminana moa ilay mpamily hadihadiana mikasika izay antony tena nahatonga ny loza raha efa nampidirina “fourrière” kosa ilay fiara. Tsiahivina hatrany moa fa vokatry ny olana ara-teknikan’ny fiara ny 80%-n’ny loza mety hitranga raha avy amin’ny tsy fitandreman’ny mpamily kosa ny 20%.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT