Fifamoivoizana

Loza tany Arivonimamo Nodimandry omaly ilay raim-pianakaviana nitondra moto


  • Alakamisy 12 Mey 2022

Nitrangana lozam-pifamoivoizana teny amin’ny Jovena Arivonimamo ny faran’ny herinandro teo. Moto nentina raim-pianakaviana iray no nifandona tamina kamiao iray lehibe.

Namoy ny ainy vokatr’izany ilay raim-pianakaviana mpitondra moto izay marihina fa vao 43 taona monja. Nianjera izy raha araka ny fantatra ary nisy fiatraikany tamin'ny vatany izany. Simba ihany koa ilay moto nentiny. Taorin'izay loza nitranga moa dia nentina nihazo ny hopitaly HJRA Ampefiloha ilay Raim-pianakaviana. Na izany aza anefa tsy tana intsony ny ainy. Namoy ny ainy omaly Itompokolahy raha araka ny vaovao azo. Marihina moa fa nahazo vahana tanteraka ny lozam-pifamoivoizana vokatry ny fitaingenana moto tato ho ato ka tokony handraisan’ny fanjakana fepetra mihitsy. Anisan’ireny ny tokony hananan’ireo mpamily taratasy fahazoan-dalana mitondra manokana mihitsy.
Pati
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT