Fifamoivoizana

Loza tany Ankaramena RN7 Maty ilay zaza 9 taona, maty avokoa izy 4 mianaka


  • Alarobia 13 Oktobra 2021

Tovovavy kely iray isan’ireo tra-doza tamin’ilay loza mahatsiravina tany Ankaramena ny alatsinainy maraina teo no nanaovana antso avo no notsaboina tao amin’ny CHU Tambohobe Fianarantsoa.

Nanaovana antso avo izy io noho ny tsy fahafantarana ny havany satria niara-maty nandritra ity loza ity ny Ray aman-dReniny sy ny zandriny. Indrisy anefa, fa araka ny vaovao azo omaly, dia nodimandry ny alin’ny alatsinainy ihany koa ity zazavavikely vao 10 taona ity, rehefa nialana nenina tao amin’ny Hopitalin’i Tambohobe, ka nanao ny ainy tsy ho zavatra aza ny mpitsabo dia izao tsy tana izao ny ainy. Araka ny rindran-damina napetraky ny CHU Tambohobe, nisy ny fampidiran-drà natao taminy noho ny ratra be, saingy tsy nahatazona ny ainy. Raha ny fanampim-baovao moa, dia voalaza fa avy any Antsiranana ireto fianakaviana kely ireto no niainga, nikasa hihazo an’Ihosy, saingy indrisy fa tao anatin’ny fotoana fohy monja dia niara-maty ny ankohonana iray manontolo. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakavian’izy 4 mianaka manontolo.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT