LOZA TANY AMIN’NY RN 1

Nanao ny adidy tandrify azy ny kaominina Ampitatafika


  • Talata 30 Aprily 2024

Tsy nijery fotsiny fa nanao ny adidy tandrify azy manoloana ilay lozam-pifamoivoizana nitranga tao Ambatofolaka,

Fokontany Antsahalava, kaominina Soamahamanina, distrikan’i Miarinarivo tamin’ny Zoma 26 Aprily lasa teo ny kaominina Ampitatafika Atsimondrano, tarihin’ny Ben’ny tanana Rado Ramparaoelina. Raha tsiahivina tokoa mantsy dia mpianatry ny EPP Ankaditany Ampitatafika avy nitsangatsangana tany Ampefy ireo niharam-boina ireo. Miisa telo ireo namoy ny ainy tamin’izany nahitana mpianatra iray sy mpanabe ary Ray aman-dRenin’ny mpianatra iray. Vehivavy 55 sy 50 taona iretsy voalohany raha zazavavy kely vao 12 taona ity farany. Tonga nitondra ny teny fampaherezana ary nandray anjara tamin’ny fikarakarana rehetra na ara-taratasy na ara-pitsaboana noho izany ny kaominina Ampitatafika ka nanolotra solom-panafody 1. 000 000Ar sy niantoka ny fitaterana ireo razana niazo ny fasan-drazany izay nalevina omaly Alatsinainy. Miisa 20 ireo naratra raha tsiaivina ka ny 6 tsy maintsy nentina notsaboina etsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha nahitana olon-dehibe 45 sy 31 taona raha 14, 12, 8 ary 5 taona kosa ireo ankizy efatra ambiny. Mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaliben’i Miarinarivo kosa ny sasany. Nivarina tany anaty tevana mirefy 20 metatra moa ilay fiara Sprinter nitondra azy ireo rehefa nisongonana fiara Starex iray ka voadona ny lohany.
Pati
Legende : Ireo tompon’andraikitra avy eo anivon’ny kaominina Ampitatafika Ilay fiara nitondra ny razana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT