Fifamoivoizana

Loza tamin’ny angidim-by Tsy maintsy hiatrika fandidiana ny SEG


  • Alarobia 29 Desambra 2021

Noho ny ratra sy ny voina nahazo azy vokatry ny fianjeran'ilay angidimby tany amin’ny 18 km tsy hidirana an’I Foulpointe, namonjena ny ain’ny mpiray tanindrazana tany Soanierana Ivongo ny 20 desambra 2020 dia tsy maintsy

 hiatrika fandidiana ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena na ny SEG Jeneraly Gellé Serge. Tsiahivina hatrany, raha ny fitantarany, fa taorian’ny fianjerana an-dranomasina ity angidimby ity dia nanavotr’aina tamin’ny alalan’ny fanatsoahana ny seza nipetrahan’ny mpanamory ary nilomano niaraka tamin’izany nandritry ny 12 ora ny SEG ny alin’io nanomboka tamin’ny 7 ora sasasany hariva ary tamin’ny 7 ora sasany maraina izy, ary mpanjono manamorona an’I Mahambo no nahita azy. Tonga nampahery ity tompon’andraiki-panjakana ity teny amin'ny hôpitaly Miaramila Soavinandriana ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena omaly maraina. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia ao amin’ny tongony no misy faritra tsy maintsy hodidiana ho fitandroana ny fahasalamany. Na izany aza taorian’ilay voina nahazo azy tany Soanierana Ivongo iny dia niezaka hatrany ity tompon’andraiki-panjakana ity nanao ny asany, nanotrona ireo namany lavo, eny fa dia hatramin’ny famaliana ny fanasan’ny mpanao gazety tamin’ny haino aman-jery tsy miankina iray teto an-drenivohitra aza.
Pati sy Mirija
Legende : Legende: Ny SEG (ambonin’ny seza) notronin’ireo mpiara-miasa aminy

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT