Loza sesilany eny amin’ny By Pass

Mpandeha moto avy aoriana maty voahitsaky ny kamio


  • Talata 14 Mey 2024

vao ny atoandro no nisy fiara nifandona tamin’ny kodiaran-droa na «moto»

dia nahafaty olona indray teo amin’ny Vato By Pass, 100 metatra miala ny sampana miadidy ny fananan-tany na «domaine». Olona niara-nitaingina moto no nianjera, raha ny fitantaran’ireo nanatri-maso, ka ilay avy tao aoriana no voahitsak’ilay fiarabe na kamiao nandalo. Maty tsy tra-drano ity farany. Tsy tapaka lozam-pifamoivoizana mihitsy, araka izany, eny By Pass eny. Tsy vao izao no nitrangana lozam-pifamoivoizana tamin’iny lalana iny. Misy fandrindrana fifamoivoizana tokony atao maika eny amin’iny faritra iny ve sa ireo mpampiasa lalana mihitsy no matetika alaim-panahy handeha mafy rehefa manjohy azy iny fa dia nahafaty olona indray aloha izany teny alina?
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT