Fifamoivoizana

Loza nitranga teto Antananarivo Nahatratra 57 tamin’ny volana jona lasa teo


  • Talata 03 Jolay 2018

Nirongatra sy nahazo vahana ny lozam-pifamoivoizana teto Antananarivo tamin’iny volana jona nivalona iny, raha araka ny tatitry ny borigady misahana ny lozam-pifampivoizana eto Antananarivo ( BAC), omaly.

Nahatratra 57 izany ka ny tranga miisa dimy tamin’ireo no nahafatesana olona. Amin’ny ankapobeny, raha araka ny fanazavan’ny kaomisera  Rakotondrazaka dia vokatry ny tsy fahatomombanan’ny fiara sy ny tsy fitandreman’ny mpamily no mahatonga ny loza. Mikasika ireo mpamily mandray sy misotro zava-pisotro misy alikaola dia nomarihin’ity kaomisera ity   fa tsy dia betsaka intsony izy ireny tato ho ato. Nambarany fa nisy tamin’ireo lozam-pifamoivoizana ireo no nalefan’izy ireo eny anivon’ny fitsarana ny antontan-taratasy ka miisa enina amin’izao ireo voakasika. Ho an’ireo mpamily mamerina loza matetika indray dia fantatra fa mandefa  taratasy eny anivon’ny prefektiora mihitsy ny eo anivon’ny BAC  hahafahana misintona mandritra ny fotoana fohy ny taratasy fahazoan-dalan’ilay mpamily hamily fiara na koa tsy omena azy intsony.

  Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT