LOZA NAHAFATY OLONA TAO MAEVATANANA

Mbola karohina ny mpamilin’ilay fiara


  • Alakamisy 26 Septambra 2024

Mbola karohina hatramin’ny omaly alarobia 25 septambra, ny mpamilin’ilay taxi-brousse tra-doza

tany amin’ny lalam-pirenena fahaefatra, pk 202+500 ao amin’ny Fokontany Manjakavaradrano, Kaominina ambanivohitr’i Mahatsinjo, distrikan’i Maevatanana ny datin’ny 23 Septambra teo. Raha tsiahivina kely mantsy dia nahafaty olona miisa 2 ity taxi-brousse nentiny ity izay zaza vao 8 taona monja ny iray raha miisa 10 kosa ireo mpandeha naratra mafy.Niainga avy any amin’ny distrikan’i Bekitro nikasa hihazo an’Ambondromamy io fiara io no tra-doza tampoka. Nivoaka ny arabe ilay taksiborosy noho ny olana ara-teknika nahazo azy hoy ny vaovao tokony ho tamin’ ny 11 ora alina. Lasa nitsoaka vokatr’izay ilay mpamily. Efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy avokoa moa izy 10 mianaka mianadahy ireo. Pati
Legende : Tahaka izao ny nanjo ilay taxi-brousse !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT