Fifamoivoizana

Loza nahafaty olona tany Antsohihy Nidoboka am-ponja ilay tompon’andraikitra ambony


  • Alatsinainy 12 Desambra 2022

Nampidirina am-ponja vonjimaika ao Antsohihy omaly 11 desambra 2022, tamin'ny 1ora maraina ny tompon’andraikitra ambony ao amin’ny Faritra Sofia izay voalaza ho nandona sy namono nahafaty zanaky ny faritra

Antsohihy tao amin'ny vakiparitra Ambendrana Antsohihy, hoy ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana. Raha ny didim-pitsarana nivoaka dia heloka noho ny fitsoahana rehefa nahavanon-doza tsy niniana natao na « délit de fuite avec accident involontaire » no hiampangana ity tompon’andraikitra ambony ity. Misaotra ny fitsarana manao ny asany, hoy ny ekipan'ny Menamaso ambony latabatra, izay fikambanana ao amin'ny faritra Sofia, ary arahanay maso akaiky ity raharaha ity. Fampidirana am-ponja vonjimaika na MD 8 volana moa no hampiharina amin’ity tompon’andraikitra ity, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT