LOZA NAHAFATY OLONA 4 TENY AMIN’NY BY PASS

Nidoboka am-ponja ilay sinoa, nitory


  • Alarobia 07 Mey 2025

ilay Ramatoa nitondra Jimny ny fianakaviana

Tsy ilay tera-tany Sinoa irery izay nidoboka vonjimaika any Tsiafahy omaly, fa tokony hizaka ny vokatry ny nataony ihany koa ilay Ramatoa iray voalaza ho nitondra Jimny ka fototry ny loza nahafaty azy 3 mianaka sy lehilahy iray teny amin’ny By pass manoloana ny Elgeco Plus ny alin’ny Alarobia 30 Aprily lasa teo, hoy ny fianankavian’ny maty. Nitory io Ramatoa io ny fianakavian’ny maty vokatr’izany na dia mbola tsy fantatra aza izy. Notsiahivin’ireo nanatri-maso ary fa avy any Iavoloha ilay tera-tany Sinoa sy ny fiarany. Nifanena taminy kosa ilay fiara cliokely iray nisy azy 3 mianaka sy lehilahy iray. Nisongona ilay fiara nentin’ilay tera-tany Sinoa io Jimny io ka nandona azy mafy, antony nahatonga ny fiaran’ilay Sinoa nihakapoka tany amin’ny fiara nisy azy 4 mianaka maty ary nivadika tany an-tanimbary avy eo hoy hatrany ny fitantaran’izy ireo. Fantatra moa fa niaraka tamin-dehilahy iray io Ramatoa nitondra Jimny io tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza koa raha vantany vao nitranga izay dia naka ny toeran’ilay lehilahy teo akaikiny izy. Tsy nijanona teo moa ny raharaha hoy hatrany ireo nanatri-maso fa lasa nitsoaka izy ireo ka ilay tera-tany Sinoa irery ihany no nifatraran’ny rihitra. Omaly Talata 06 May no niakatra Fitsarana ny raharaha saingy mbola andrasana kosa ny mety ho tohin’ny fitadiavana ilay Ramatoa nitondra Jimny.
Pati
Legende : Izy 3 mianaka anisan’ireo namoy ny ainy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT