Loza nahafaty olona 2 teny Tsarasaotra

Mpanamory fiaramanidina vao 31 ny iray


  • Alarobia 14 Mey 2025

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina nahafaty olona indray teny amin’ny

lalam-baovao Tsarasaotra Ivato ny alin’ny alahady lasa teo. Anisan’ny namoy ny ainy tamin’izany Razafimandimby Milofo Tojoniaivo, tanora vao erotrerony satria vao 31 taona monja, fantatra teo amin’ny tontolon’ny tily tamin’ny anarana « Taleva Manjofo », fa mpanamory fiaramanidina ihany koa ny tenany. Maty tsy tra-drano vokatry ny fifandonan’ny fiarany tamin’ny fiara lehibe nijanona teo an-dalana. Araka ny vaovao, fiara kamiao iray simba no nijanona teo afovoan-dalana. Tsy ela taorian’izay, nisy fiara 4x4 iray tonga, tsy nahatsikaritra ilay fiara be, ka nidona mafy taminy. Maty avy hatrany ny mpamilin’ilay 4x4. Roa ora taty aoriana, tonga tamin’ny fiarany manokana, BMW X3 ihany koa Razafimandimby Milofo. Tahaka ny teo aloha ihany, tsy nahita ilay fiara nijanona teny an-dalana izy ka nifatratra tany amin’ny vodiny. Namoy ny ainy teo no ho eo ihany koa ny tenany. Hatao veloma farany etsy amin’ny Kateraly Analakely anio 14 mey moa ity mpanamory vao erotrerony namela mpitondra tena iray sy kamboty 2 ity, alohan’ny hanitrihana azy eny Ambohimiadana Carion. Olona 2 izany no namoy ny ainy vokatry ny tsirambina nataon’ilay kamio, izay tsy nametraka ireny mari-pamantarana fametraka eny amin’ny làlana rehefa misy fahasimbana ho an’ny fiara vaventy. Nanokatra fanadihadiana ny manam-pahefana, indrindra mikasika ny antony navelan’ilay fiara simba hijanona tsy nisy famantarana teny an-dalana. Nalefa nakany Soavimasoandro ilay fiara lehibe mba hanokafana tsara ny lalana sy hanohizana ny fanadihadiana. Betsaka ihany koa izay fatiolona tamin’iny làlana Tsarasaotra-Ivato iny ka asa na mitombina ny hoe : misy lolo ? Fanahy ratsy sy ny sisa ? Ny zava-dehibe dia ny fitandremana sy fanajana ny lalana mifehy ny fifamoivoizana hatrany satria tsy ny tena ihany no tandindonin-doza fa ny hafa tsy manan-tsiny ihany koa.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT