Fifamoivoizana

Loza nahafaty an’i Kevin Yang Nidoboka am-ponja vonjimaika ilay ramatoa


  • Alarobia 20 Oktobra 2021

Naiditra am-ponja vonjimaika ilay ramatoa 43 taona voasaringotra ho tompon'antoka tamin'ny lozam-piarak, nahafatesana an'ilay teratany sinoa vao 17 taona antsoina Kevin Yang,

teny Mandrisoa Ivato ny 23 septambra laza teo. Ankoatra ny nahasaringotra azy tao anatin’ny lozam-pifamoivoizana, dia voalaza fa anisan’ny niampangana azy ihany koa ny fandaingana nandritry ny fanadihadiana natao, hoy ny tatitra. Voalaza mantsy fa nanonona fiara hafa ity vehivavy ity, saingy afaka madiodio hatreto ny mpamily ilay fiara marika Starex notononiny satria voalaza fa nanaporofo ny tsy nisian’ny fahadisoan’ity farany ny horonan-tsary. Nisy moa ny fanazavana niely tamin’ny tambajotran-tserasera omaly avy amin’ny manodidina ilay ramatoa io ho setrin’ny hetsika nataon’ireo teratany sinoa teny anoloan’ny Lapan’ny Fitsarana Anosy ny alatsinainy teo, saingy tsy naharo azy izany io hatreto. Voalaza ho niovaova matetika rahateo ny fanazavana nentin’ilay voasaringotra. Tetsy ankilany, dia maneho firaisan-kiana sy famoahana ny heverin’izy ireo fa marina eo ambany fahatokisana ny fitsarana Malagasy. Amin'ny 29 oktobra ho avy izao moa no hiakatra fampanoavana ny raharaha.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT