Fifamoivoizana

Loza manjo ny moto scooter Vokatry ny fandehanana mafy sy ny fandikan-dalàna


  • Talata 26 Febroary 2019

Nisesisesy hatrany ny loza mihatra amin’ireo mpitondra moto scooter teto Antananarivo sy tany amin’ny faritra tato ato. Matetika dia fahamoizan’aina mihitsy no mahazo ny mpitaingina ireny moto scooter ireny rehefa sendra ny loza.

 

 

 Ny fandehanana mafy hatrany aloha hatreto no tena anton’ny loza saingy tsy azo lavina ihany koa ny tsy fahaizana ny lalàn’ny fifamoivozana. Raha ny tokony ho izy dia tokony hisy fahazoan-dalana mitondra amin’ireny moto scooter rehetra ireny. Fomba fanao ratsy hatrany hatramin’izay ihany koa ny fanovana ny faktiora ataon’ny tompona moto. Manomboka amin’ny tanjaka 50cc mantsy dia takiana ny fahazoan-dalana mitondra. Rehefa mividy moto scooter anefa ny maro an’isa dia miteny amin’ny mpivarotra ny amin’ny hanovana ny faktiora ho 49cc hatrany hialana amin’ny fitakiana fahazoan-dalana. Misy hatrany amin’ny 100 sy 125 cc mihitsy anefa ireny moto kely ireny saingy ovaina hatrany ho 49cc hany ka mitera-doza avy eo. Manampy trotraka ny tsy fahaizana mifehy ny lalàn’ny fifamoivozana tahaka ny fisongonana an-kavanana sy ny fitsofotsofoana efa mahazatra ny mpitondra moto scooter.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT