Fifamoivoizana

Loza mahatsiravina Zaza 11 taona vavy tokana maty voahitsaky ny kamio


  • Zoma 19 Aprily 2024

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny amin'ny Holcim Ambohimangakely omaly 18 aprily

sahabo ho tamin'ny 07ora hariva. Zaza vavikely nampita no voadonan'ny kamio lehibe, raha ny fitantaran'ny nanatri-maso. Vokany, nipotsaka ny ati-dohany, ary nezahina nentina hotsaboina saingy tsy tana ny ainy. Vavy tokan'ny Ray aman-dreniny ity zaza nindaosiny fahafatesana antsoina hoe MITIA ity, ary mpianatra ao amin'ny FJKM Ambohimangakely, kilasy faha 6, raha ny fanazavana. Nentina eny Betafo, Kaominina Ambohimangakely izao ihany razana, ary andrasana any. Tokony mitandrina tsara na ny mpandeha an-tongotra na ny Mpamily fiara amin'iny lalana iny, satria maro fiara mifamoivoy iny lalana iny, migodana raha teo ny lalana ka manararaotra mandeha mafy ny fiara sasany, hoy ny fanamarihana sy fanentanana. Mirary fiononana feno ho an'ny fianankaviany manontolo.
Nangonin'i Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT