Fifamoivoizana

Loza mahatsiravina teny Mahazo Nipotsaka ny atidohan’ilay zaza


  • Alarobia 29 Mey 2019

Zazakely iray tokony ho herintaona sy tapany no nofaohan'ny fiara Mazda iray tapaka hisatra teny Mahazo mitohy amin’iny lalam-pirenena faharoa iny omaly tokony ho tamin'ny 4 ora hariva.

Teo amin'ny fidinana misy ny tobim-piantsonan’ny fiara mihazo an’Ambatomanga sy Manjakandriana no nitrangan’ny loza. Nilalao teo amoron-dalana niaraka tamin'ny reniny mpivarotra “glace” mandehandeha ilay zaza no sendra ny loza ka tsy afa-niala, raha ny fanazavana. Nipotsaka mihitsy ny lohan'ilay zazakely ary maty tsy tra-drano. Mbola nipitika teo akaikiny teo ny saribakoly filalaony sy ny “glace” fivarotry ny reniny. Nifatratra sy voasakan’ny fiara anankiray marika sprinter ilay fiara fa raha tsy izany angamba mety mbola ho olona maro be no voafaoka sy voahosiny. Tsy ela dia tonga teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana nijery akaiky ny zava-misy ary efa nentin'izy ireo niala teo ilay mpamily sy ny mpanampiny. Fotoana fohy dia vory ny olona ka voatery nasiana tady namefy ny fibosesehana nahafahan’ny mpitandro filaminana nijery ifotony ny zava-misy.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT