Loza mahatsiravina teny amin’ny RN2

Lehilahy iray maty voahitsaky ny kamio teo Sambaina


  • Alarobia 30 Aprily 2025

Nisehoana loza nahafatesana olona tao Antetokely, ao amin’ny kaominina Sambaina,

distrikan’i Manjakandriana, ny faran’ny herinandro teo. Lehilahy iray 41 taona no maty voahitsaky ny kamio lehibe iray. Teny amin’ny lalam-pirenena RN2, tamin’ny ampahan-dalana iray misy fiolanana tsy nasiana famantarana no nitrangan’ny loza. Raha nandalo teny an-toerana ilay fiara avy any Atsinanana ho any Antananarivo, dia niezaka nisoroka lavaka teo amin’ny sisiny, ka nifatratra tany amin’ny mpandeha an-tongotra, ka nahafaty an’io lehilahy io teo noho eo. Tsy nijanona ilay mpamily fa nandositra tsy hita, ka tsy nisy afaka nanamarina na nahafantatra hoe iza marina ilay fiara ? Nampahafantatra kosa ny zandary fa noho ny tsy fahamalinana no nitarika izany loza izany. Natao ny fifandraisana tamin’ireo sampana mpitandro filaminana amin’ny manodidina mba hanara-maso sy hampandre raha misy fiara ahiahiana. Rehefa vita ny fombafomba ara-panjakana sy ara-pitsarana, dia natolotra ny havany ny vatana mangatsiakan’ilay lehilahy.
Asmynah Randriamananjara (mpiana-draharaha)


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT