Fifamoivoizana

Loza mahatsiravina teny amin’ny RN1 Zandary 1, miaramila 1 sy ny vadiny maty tsy tra-drano


  • Alakamisy 16 Desambra 2021

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray tany amin’ny làlam-pirenena voalohany miazo an’I Tsiroanomanididy iny.

Fiara iray nentina zandary sy moto iray nanao taingen-telo izay miaramila mivady sy ny zanany no nifandona tamin’iny RN 1 teo Andandihazo Kaominina Tsinjoarivo Imanga ny talata hariva teo. Vokany, maty tsy trano ireo olona telo, dia ilay zandary sy ilay miaramila mivady nitondra moto. Naratra mafy kosa ilay zazakely zanak’izy mivady, izay vao 2 taona monja, ka naterina any amin'ny hopitalibe Tsiroanomandidy noho ny fahatapahana hita teo amin'ny tanany sy ny tongony. Tsy misy atahorana kosa ny ainy. Efa tonga nijery ny zava-nisy ireo tomponandraikim-panjakana tany an-toerana. Sesilany ny lozam-pifamoivoizana satria vao omaly ihany koa mpitondra dia mpitondra bisikileta iray no maty voahitsaky ny fiara tsy mataho-dàlana teny Ambohitrimanja, nisy mpitondra moto tra-doza ihany koa tetsy Ambanidia.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT