Fifamoivoizana

Loza mahatsiravina teny amin’ny “Digue” 2 maty, potipotika ilay mpamily


  • Zoma 25 Aogositra 2017

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray teny amin’ny Làlana Digue, teo amin'ny “Rond Point” mihazo an’Ambodihady Ambohimanarina,

mialoha ny sampanana Ambohitrimanjaka omaly tokony ho tamin’ny iray ora sy sasany maraina. Nidofotra tamin’ny rindrim-bato ny fiara marika Renault Mégane, raha avy amin’ny lalan’ny Frankofonia saika hanatitra olona teny Ivato, lehilahy miisa 3 no tao anatiny. Maty teo no ho eo ny mpamily antsoina hoe Jonathan Serge, vao avy nahavita fianarana ho mpanamory fiaramanidina, nikasa hanohy fianarana any Canada. Potika tanteraka ny vatany, tapaka ny tanany, ny tongony, ny tratrany. Ny lehilahy 2 kosa naratra mafy, ka teny amin’ny hopitaly no tsy tana intsony ny ain’ny iray, dia Andrianarivo Berkley, fantatra teo anivon’ny fikambanan’ny Zanaka Ampielezan’ny Faritanin’i Toliara (FIZAFATO), izay nodimandry omaly tokony ho tamin’ny 8 ora maraina rehefa notsaboina tao amin’ny Hopitaly Manara-penitra eny Andohatapenaka, ary nentina teny amin’ny Tranompatin’ny Hopitaly HJRA Ampefiloha avy eo ny nofo mangatsiakany, mba hanaovana fanambaram-pahafatesana. Dona mafy teo amin’ny lohany no voalaza fa nitarika ny fahafatesany. Ny fatin’ny mpamily sisa hita tao anatin’ny fiara tamin’ny fotoana nandalovan’ny fiaran’ny orinasan-tserasera iray teny an-toerana tokony ho tamin’ny 3 ora maraina, ka io fiara io no nanatitra ny razana teny amin’ny hopitaly. Nisy zandary hamonjy asa ihany koa no nahita sy nandray an-tanana ny loza. Mbola tsaboina eny amin’ny hopitaly HJRA Ampeloha kosa ilay tovolahy iray, izay tapaka ny feny. Mandranto fianarana any ivelany izy ary hanatitra azy indrindra no dian’izy telo lahy tamin’io fotoana nitrangan’ny loza io.

Misaona i Toliara

Nafana fo tao amin’ny fikambanana FIZAFATO Andriamanarivo Berkley. Nirotsaka hofidiana ho filohan’ity fikambanana ity mihitsy tamin’ny fifidianana farany. Rehefa nirotsaka anefa i Maharante Jean de Dieu, dia niala an-daharana noho ny tsy fanekeny ny firotsahan’ity minisitry ny asam-panjakana ity, izay nosokajiany ho tsy ara-dalàna. Natao ihany ny fifidianana ny 6 jolay, ka i Maharante irery no hany kandida. Mbola nanao fanambarana i Andriamanarivo Berkley fa tsy manaiky ny fifidianana nahalany an’i Bevata ny alatsinainy 21 aogositra teo, dia an’i Bevata, ary hanetsika ireo herivelona rehetra ao anatin’ny faritanin’i Toliara hanohitra, saingy izao nindaosin’ny fahafatesana izao. Any Amboasary Atsimo no handevenana azy. Omaly, dia efa niara-nirohotra teny amin’ny HJRA ny fianakaviany sy ny mpiray fikambanana, izay nangataka ny tsy hanaovana “autopsie” sy ny hitondrana azy avy hatrany eny 67HA mialoha ny hitondrana azy any an-tanindrazana. Nanome tsiny ny fomba fandraisana tao amin’ny hopitaly manara-penitra ny fianakavian’ny maty, izay nambaran’izy ireo fa tsizarizary. Ny fanjakana no handray an-tanàna ny fandaniana amin’ny fampodiana ny razana, raha ny nambaran’ny minisitry ny Indostria Chabani Nourdine.


Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT