Fifamoivoizana

Loza mahatsiravina teny Ambohijanaka Zazakely 3 taona maty voadonan’ny fiara


  • Talata 15 Janoary 2019

Zazavakely iray manodidina ny 3 taona no maty tsy tra-drano omaly teny Ambohijanaka Gara, eny Antananarivo Atsimondrano.

 

 

Voadonan’ny Fiara Renault 5 izy io, ary tsy nisy ala nenina azo natao. Andeha hianatra izy no tra-doza, saingy tsy fantatra mazava na nisy mpanatitra na nandeha irery tamin’io ora nisehoan’ny loza io. Namonjy avy hatrany teny amin’ny mpitandro ny filaminana kosa mpamily ilay fiara, raha ny fanampim-baovao. Ny loza tsy mampiomana fa ny zava-dehibe dia ny mailo hatrany, indrindra fa amin’ny fitondrana ny zazakely eny an-dalambe. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakavian’ity zazakely namoy ny ainy noho ny loza mahatsiravina ity ny gazety Tia tanindrazana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT