Fifamoivoizana

Loza mahatsiravina tany Mandalahy Tafiakatra 7 ny maty


  • Alatsinainy 29 Oktobra 2018

Anisan'ireo namoy ny ainy tamin'ilay lozam-pifamoivoizana namoizana ain'olona sy naharatrana maro tao Camp Mandalahy (anelanelan'Ambohimahasoa sy Fianarantsoa) ny marainan’ny sabotsy 27 oktobra lasa teo ny tovolahy vao erotrerony fantatry ny maro amin’ny hoe Boy Black Hasim.

 

Mpanentana mahafatra-po nandritra ireo hetsika tamin'ity fampielezan-kevitry ny kandida Marc Ravalomanana. Raha hiverenana ny fanazavana mikasika ny fisehon’ny loza, dia nisongona kamio ny fiara “sprinter” nitondra azy ireo no nisy fiara “sprinter” hafa nipoitra tampoka, ka niala an’iny namantana tany an-kady. 4 no maty teo no ho eo ary mbola nisy 3 hafa nialana nenina, saingy tsy tana ny ainy, raha ny fampitam-baovao. Nandritra izao fitsidihany ny faritra Amoron’i Mania sy Matsiatra Ambony, dia naka fotoana manokana ny kandida laharana faha-25 Marc Ravalomanana nitsidihana ireo mbola tsaboina ao amin’ny Hopitaly be Antambohobe-Fianarantsoa. Misy ramatoa iray voan’ny AVC tokony hatao “scanner”, ka dia niantohany ny saran’ny fitondrana azy aty Antananarivo sy ny saran’ny fitiliana satria mila izany maika izy io. Nirary fahasalamana sy fahasitranana haingana ho an’ireo marary sy maratra moa ny tenany, ary nitondra teny fampiononona ho an’ny fianakavian’ny maty. Ny gazety Tia Tanindrazana dia miombona alahelo sy mirary fiononana ho an’ny fianakaviana manamanjo ary mirary fahasitranana ihany koa ho an’ireo mbola manaraka fitsaboana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT