Fifamoivoizana

Loza mahatsiravina tany Ambatolampy 3 maty teo noho eo, nisy tapa-doha


  • Talata 22 Septambra 2020

Olona miisa 3 no maty teo noho eo vokatry ny lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teo Amboniriana Ambatolampy Lalam-pirenena faha-7 na RN7.

 

Fiara taksibrosy marika sprinter no nifandona tamina fiara Mercedes 612 iray hafa vokatry ny fandehanana mafy dia mafy. Nipitika tany an-tanimbary ilay taksibrosy, ary tafakisaka tany amin’ny 100m niala ny toerana nifandonana ilay fiara iray hafa, raha ny fitantaran’ny nanatri-maso. Tao anatin’ilay Sprinter avokoa ireo maty, ary isan’ny naratra ny mpamily. Nifampisokirana ireo mpandeha ireo mpandeha. Tena nampivarahontsana satria nisy tamin’ny namoy ny ainy no nipitika sy tapaka tanteraka ny lohany. Làlana tombanana tsy ahiana hisy loza firy no nisehoan’io tranga mahatsiravina io satria mahitsy, ahitana tsara ny fiara mifanena,… saingy mety halaim-panahy handeha mafy ny mpamily, ary io niseho omaly io no isan’ny voa-dratsy. Ilaina hatrany ny mitandrina satria ain’olona no entina.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT