Fifamoivoizana

Loza mahatsiravina - RN 7 11 maty, 15 naratra tany Ankaramena


  • Talata 12 Oktobra 2021

Olona 11 no namoy ny ainy, ary 15 naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana niseho tany amin’iny làlam-pirenena faha-7 iny.

Fiara taksibrosy marika sprinter nitondra mpandeha avy any Fianarantsoa hihazo an’Ihosy no tra-doza teo amin’ny 10km miala an’Ankaramena distrikan’Ambalavao Fianarantsoa omaly 11 oktobra maraina tokony ho tamin’ny 7 ora sy fahefany, teo amin’ny tetezan’I Sahasoa Fokontany Malazarivo. Tsy fantatra mazava ny antony nahatonga ny loza, fa avy eo amin’ny tetezana nivantana tany anaty hantsana ny fiara ary potipotika tanteraka, ka dia io olona am-polony mahery io no namoy ny ainy. Notsaboina ao amin’ny CSB2 Ankaramena ireo naratra tsy dia atahorana, ary 7 kosa tsaboina ao amin’ny Hopitalibe Ankaramena. Vao ny 25 septambra no nisehoana loza mahatsiravina namoizana ain’olona 12 tany Anteza Ambohimahasoa amin’iny RN7 iny ihany, dia io indray fa misy ny toy izao. Nambaran’ny Filohan’ny ASTRAM mpitantana amin’ny sehatry ny asa fitaterana omaly, fa fiara tsy nahazo alalana hitatitra, raha ny tatitra azon’izy ireo. Fitaterana entana taloha, navadika hitatitra olona. Tsy niala tamin’ny tobim-piantsonana, tsy anatina koperativa, tsy manana “licence”,… Mandeha noho izany ny fanadihadiana amin’ny nahafahany nanao io asa io sy afaka nandeha malalaka tamin’ny làlam-pirenena.
“TSY NATOKANA HITATERANA OLONA”
“Tsy natokana hatao fitaterana olona ny fiara sprinter. Any an-dafy ireny dia natokana hitaterana entana na biby na zavatra hafa fa tsy olombelona, ary saika “fourgon” na tsy vaky izy amin’ny ankapobeny, fa rehefa tonga eto dia vakiana asiana fitaratra. Tena matanjaka be ny maoterany mitaha amin’ireo karazana fiara hafa. Matoa anefa nomena alalana hitaterana olona eto amintsika, dia avy any amin’ny Fanjakana ny fanomezan-dàlana. Saika efa fiara matanjaka be avokoa no hanaovan’ny olona taksibrosy eto amintsika. Mihazakazaka rahateo ny tsenan’ny fifaninanana eo amin’ny fandraharahana ara-pitaterana, indrindra fa eo amin’ny lafiny tanjaka sy ny kalitaon’ny fiara. Ny lozam-pifamoivoizana ihany koa anefa misy antony maro no isehoany, fa tsy voatery ho noho ny fiara manokana, fa eo ohatra ny tsy fitandreman’ny mpamily, ny làlana,…”, hoy I Sylvain A. mpamily.

VOKATRY NY TSY FITANDREMANA NY 85% AN’NY LOZA
Raha ny valin’ny fanadihadiana navoakan’ny DGSR (Direction Générale de la Sécurité Routière) ny fiandohan’ny volana oktobra teo, dia ny 5% amin’ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika dia vokatry olana ara-teknikan’ny fiara, raha toa ka ny 10% noho ny tsy fahatomombanan’ny kodiarana sy ny tsindry hisatra na « frein » an’ny fiara, ary ny 85% kosa dia vokatry ny tsy fitandreman’ny mpamily sy ny mpampiasa làlana. Raha ny tatitra hatrany, nandritra ny fitsirahana tany amin’ny RN7 ny 27 septambra-01 oktobra, dia fiara 134 tamin’ny 680 no nahitana tsy fahatomombanana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT