Fifamoivoizana

Loza mahatsiravina Potika tanteraka ilay zaza voahitsaky ny kamiao


  • Alarobia 29 Novambra 2017

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina tany amin’ny fokontany Tsarafara, avaratr’i Lempona, distrikan’Antanifotsy ny zoma lasa teo.

Zazalahy kely mpianatra iray manodidina ny 10 taona no voahitsaky ny kamiao iray lehibe feno entana handeha hianatsimo ka nizara telo mihitsy ny vatany. Raha araka ny fanazavan’ireo fianakavian’ny maty dia handeha hividy zavatra io zazalahy kely io no izao tra-doza izao, trano fivarotana izay eo akaikin’ny trano fianarany ihany. Ny nofony efa niparitaka tao ambanin’ilay kamiao narahin’ireo rovitr’akanjo anefa sisa no hitan’ny fokonolona ka niantsoana ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Raha araka ny vaovao azo hatrany moa dia efa niakatra teo anivon’ny Fitsarana ao Ambatolampy ny faran’ny herinandro teo ny raharaha. Miandry ny  tena fampiharana ny lalàna marina ny fianakavian’ny maty izay nanantitrantitra fa nisahirana irery tamin’ny fikarakarana ny razana na dia efa tao anatin’ny fahoriana tanteraka aza. Raha araka ny fanazavan’ny fianakavian’ny maty hatrany moa dia ity kamiao ity no diso satria naka sisiny tany amin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT