Fifamoivoizana

Loza mahatsiravina Olona telo indray no maty…


  • Talata 22 Oktobra 2019

Sesilany ny lozam-pifamoivoizana tao Fianarantsoa tato ho ato, ary saika namoizana ain’olona avokoa.

 

 

 

Fiarabe mpitondra fasika iray indray no tapaka hisatra tamin’ny fidinana manelanelana an’Isaha sy Anjoma omaly, ka tsy tana. Olona 8 no naratra vokatr’izany, ary 3 maty tsy tra-drano ka 2 vehivavy ary 1 kosa lehilahy, araka ny fampitam-baovao. Vao ny 4 oktobra lasa teo anefa no nisy ilay “sémi-remorque” feno entana mavesatra tapaka hisatra ihany koa, ka nandona fiara am-polony sy nanitsaka olona 3 izay maty tsy tra-drano, ankoatra ireo naratra. Andro vitsy taorian’izay, mbola nisy lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona iray tao an-toerana. Toa resaka fahatapahana hisatra avokoa tamin’ny ankapobeny no anton’ireo loza sesilany tao Fianarantsoa. Mila handraisana fepetra satria matetika loatra. Ny fanaharaha-maso ny fiara ve no tsy ampy sa ny loza mihitsy no efa ho avy ? Ilaina hatrany ny mailo sy ny mitandrina na ho an’ny mpampiasa fiara na ho an’ny mpandeha an-tongotra satria ny loza tsy mampiomana. Sady loza mitatao amin’ny tena no mety hampiditr’andro ho an’ny hafa rahateo ny tsy fitandremana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT