Fifamoivoizana

Loza mahatsiravina Olona 13 maty navadiky ny kamio


  • Talata 17 Jolay 2018

Olona 13 no voalaza fa maty ary manodidina ny 30 no naratra noho ny lozam-pifamoivoizana mahatsiravina niseho tao amin’ny Kaominina antsoina hoe Salobe any amin’ny distrikan’Ampanihy ny alahady maraina tokony ho 8 ora, raha ny fampitam-baovao.

 

Nifamahofaho tanteraka ny vaovao satria nisy ny nilaza fa 9 ireo maty, saingy raha ny fampitam-baovao farany aloha dia hoe tafakatra 13. Miisa 6 kosa no maty teo no ho eo, saingy noho ny hamafin’ny loza dia nitombo ireo namoy ny ainy. Nivadika vokatry ny fahatapahan’ny hisatra ny kamio iray voalaza fa an’ny mpandraharaha karana iray, izay handeha hamonjy tsena any Bezaha ka nivadika ambony ambany ka nisy ny voatsindrin’ny entana, ary tao no voatsindrin’ilay fiara nivantana. Raha ny loharanom-baovao hafa, moa dia re fa namono maotera ny mpamily na dia fidinanana aza ny lalana, ka izay no tena antony niteraka ny loza satria tsy nahatazona ilay fiara ny hisatra. Andrasana ny fanadihadian’ny mpitandro ny filaminana. Misy tamin’ireo maratra no naiditra ao amin’ny hopitalin’i Bezaha, ary am-polony ihany koa no nalefa avy hatrany tany Toliara. Tsara ny mampahatsiahy fa vao ny 1 jolay lasa teo no nisian’ilay fiarabe Karandalina mampitohy an’Antananarivo sy Manalalondo tra-doza teo amin’ny tetezan’Iombifotsy Andranomena Arivonimamo. Niala omby nibahan-dalana ilay fiara, izay somary nandeha mafy ka dia nifatratra tany anaty rano, ka 4 no maty teo no ho eo, ary taty aoriana dia niampy iray, ankoatra ireo marobe naratra. Olana goavana eto amintsika rahateo ny resaka lalana, ary toerana maro manerana ny nosy no mbola fiara mafy sy matanjaka na ireny “tracteur” ireny mihitsy no ampiasaina ho fitaovam-pitaterana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT