Fifamoivoizana

Loza mahatsiravina Notetezin’ny fiara ny lohan’ilay lehilahy


  • Alarobia 19 Aprily 2017

Nandriaka ny ra omaly talata 18 aprily tokony ho tamin'ny 12 ora sy sasany tany amin’ny lalam-pirenena faha-7 any Fianarantsoa.

 Lehilahy iray no voahitsaky fiarabe mitarika “remorque”, izay mbola feno entana, ka ny lohany mihitsy no notetezin’ny kodiarana, ary nahafaty azy tsy tra-drano. Niparitaka eraky ny arabe ny ra. Maro ireo tsiravina sy sanganehana nahita ny zava-niseho. Teo atsimokelin’ny tobim-piantsonan’ny fiara ho an’ny zotra nasionaly ao Ankazondrano no nisehoan’ny loza. Ny mahagaga sy mahatalanjona tamin’ny fisehon’ny loza dia ny kodiarana aoriana no nanitsaka ilay lehilahy ary toy natsofoka tao anelanelan’ny kodiarana mihitsy izy rehefa nijanona ny fiara. Nifamahofaho tanteraka ny antony nahatonga ny loza. Raha ny loharanom-baovao iray dia voalaza fa tsy dia salama saina io lehilahy maty io. Ny loharanom-baovao hafa kosa dia milaza fa mamo ny tenany, ka izay no mety nahatonga azy tsy hahafehy tena intsony. Ilaina ihany ny mitandrina mba tsy ho tonga amin’ny fitenenana hoe ny patsa iray tsy omby vava satria ny loza tsy mampiomana. Tsy ny tena ihany rahateo no mety hizaka ny vokany amin’ny resaka fimamoana fa hatramin’ny hafa, dia mety ho tojo fahasahiranana noho ny loza vokatry ny mety ho tsy fitandreman’ny hafa.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT