Loza mahatsiravina

Mpianaka niara-maty nofahon’ny fiara


  • Alarobia 27 Desambra 2023

Tantely amam-bahona tokoa ny fiainana. Vehivavy roa mpandeha an-tongotra

no maty tsy tra-drano tao an-drenivohitr’i Vakinankaratra ny Alatsinainy 25 Desambra lasa teo, tokony ho tamin’ny 03 ora folakandro. 66 taona ilay Ramatoa lehibe iray raha vao 9 taona monja kosa ilay zazavavy kely iray.Raha araka ny fantatra dia nofaohin'ny fiara 404 bâchée iray teo amin'ny fidinana voirie mihazo ny orinasa Star, izy ireo. Vokatry ny tsy fifehezan’ilay mpamily ny familiana hoy ireo nanatri-maso no antony nahatonga ny loza. Na izany aza ny fanadihadiana hataon'ny polisim-pirenena ihany no hamaritra ny tena anton'izany. Lehilahy iray 47 taona nitondra bisikilera ihany koa no fantatra fa naratra mafy saingy efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy. Efa notazonina hatramin’ny omaly moa ilay mpamily hanaovana fanadihadiana.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay fiara namono azy mianaka tao Antsirabe !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT