Fifamoivoizana

Loza mahatsiravina Miaramila 4 maty, 29 naratra


  • Alakamisy 02 Mey 2019

Miaramila 4 no namoy ny ainy ary 29 hafa naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tany Manakara, raha ny tatitra vonjimaika azo omaly. Ankoatra ireo namoy ny ainy, marobe ireo naratra, toy ny tapa-tongotra sy mitondra takaitra vokatry ny loza nahazo azy ireo.

 

 


Raha ny fanazavana, nivadika niala lalana ny kamio lehibe nitondra azy ireo rehefa niverina avy nanatanteraka fambolen-kazo ho fankalazana ny 01 mey, hanamarihana ny fetin’ny asa ka nanararaotan’izy ireo nanaovana io fambolen-kazo io. Feno vahoaka ny tao amin'ny toby miaramila, nijery imaso ireo namoy ny ainy, tahaka izany koa ny tao amin'ny hopitaly ka mifanaretsaka ireo nijery ny havany, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Nanamaloka tanteraka ny andron’ny 01 mey omaly tany an-toerana io toe-javatra io, ka ny irariana dia ho sitrana soa aman-tsara ireo naratra, ary ho tsara levenana ireo namoy ny ainy.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT