Sakaosy goavam-be niloko manga no hitan’ny mpiandriaka sy ny mponina mpampiasa ny reniranon’Ivondro natsingevan’ny rano manamorona ny fokontany Mahasoa Kaominina Ambokarivo atsimokelin’i Tanandava Toamasina ny alahadin’ny pantekoty tokony ho tamin’ny 7 ora maraina.
Avy hatrany dia nampandre ny filoham-pokontany sy ny raiamandreny tao an-tanàna izy ireo. Taorian’izay dia nosintonina namonjy sisin-drano ilay sakaosy. Hagagana anefa ny an’ny rehetra fa fatim-behivavy niaraka tamin’ny zanany vavy kely izay nofonosina sy toa nokendaina, ary samy nifatotra tongotra aman-tanana no hitan’izy ireo tao anatiny. Nampandrenesina avy hatrany ny mpitandro ny filaminana tao Tanandava, ka ireto farany no niantso mpitsabo manokana nizaha ny razana. Tao anatin’izany no nahalalana fa tokony ho 27 taona ilay renim-pianakaviana, izay mitondra vohoka manodidina ny 7 na 8 volana, ary ilay zazavavy kely kosa tokony ho 2 taona eo ho eo. Ny fanazavan’ny mpitsabo ihany koa no nahalalana fa efa manodidina ny 2 andro teo no nisy namono izy mianaka ireto, ary raha ny zava-nisy dia tsy teo amin’ny faritra manodidina no namonoana azy fa tombanana ho tany an-toeran-kafa mihitsy satria nisy ny soritra fa natsipy somary avoavo ihany ilay sakaosy nisy azy telo mianaka tamin’ny fanariana azy. Manamarina izany ny filazan’ny mponina manodidina rehetra amin’ny tsy fahalalana azy ireo. Tsy nisy rahateo ny taratasy manokana nahafantarana azy. Nandritra ny fizahan’ny mpitandro ny filaminana ny razana kosa no nahitana fa misy tombokavatsa na “tatouage” amin’ny soratra karana ny lamosiny tsy lavitra ny faritry ny fitombenan’ ilay vehivavy. Tsy azo notazonina ela ny razana noho ny fahasimbany ka tsy maintsy nanapa-kevitra nalevina ny androtr’iny alahady iny ihany ny manampahefana sy ny fokonolona. Manao antso avo amin’ireo mety ho havany na izay mahalala azy ireo kosa ny zandary misahana ny raharaha mba hijoro hanamora ny fanokafana ny fanadihadiana sy hitadiavana izay mety nahavanon-doza. Resaka harena sa valifaty sa antony hafa mihitsy no namonoana azy ireto ? Raha ny fanombanana ivelany azy aloha, dia mety ho olona manan-katao na avy amin’ny fianakaviana ambonimbony izy ireo. Miandry izay ho tohin’ny fanadihadiana sy ny mety ho antony namonoana azy ny rehetra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.