Fifamoivoizana

Loza - lalam-baovao Ivato 2 maty teo noho eo, 2 naratra mafy


  • Alatsinainy 28 Febroary 2022

Nandriaka indray ny ra teny amin'ny lalam-baovao Ivato, teo anoloan'ny toby miaramila RFI omaly tolakandro, tokony ho tamin’ny 4ora.

Fiara tsy mataho-dàlana na “4x4” iray sy fiarakaretsaka na “Taxi” iray no nifandona, ka tombanana ho isan’ny anton’ny loza ny fandehanana mafy, raha halalinina amin’ny fahasimban’ny fiara. Samy nisy fahasimbana ny fiara roa tonta fa ilay fiarakaretsaka no tena lasibatra sy goavana ny fahapotehana. Tsy vitan’ny fahasimbana fotsiny anefa, fa nisy namoizana ain’olona, izay voalaza fa mpianaka ka lehilahy tokony ho 40 taona ny iray, ary ankizy vao 12 taona eo ho eo kosa ny iray. Olona roa hafa izay voalaza fa ankizy ihany koa no naratra mafy. Marihina fa samy tao anatin’ilay fiarakaretsaka avokoa ireo olona namoy ny ainy sy naratra ireo. Tsy nisy naninona kosa ny tao anatin’ilay fiara tsy mataho-dàlana, izay azo lazaina ho maivamaivana ny fahavoazana satria ny ilany ankavia eo amin’ny lohan’ny fiara ihany no pempo. Nisesisesy ny loza mahatsiravina namoizana izay matetika no nisiana famoizana ain’olona na naharatrana tato ho ato. Raha tamin’iny làlam-baovao iny, ohatra, vao telo andro nialohan’ity loza mahatsiravina omaly ity no nisy fiara tsy mataho-dàlana marika Pajero voalaza fa avy any Ivaro lasa tany anaty lakandrano feno tsikafona teny Tsarasaotra. Teto Antananarivo Renivohitra, fiara taksibe an’ny zotra 183 namono sy nandratra olona tetsy Andohan’Analakely ny alarobia 23 febroary teo, ary fiara “sémi-remorque” no nandratra olona teny Ankadimbahoaka. Loza isan’ny nampivarahontsana ihany koa ny niseho tany Berivotra RN4 ny zoma 25 febroary vokatry ny fivadihan’ny fiara Mazda avy any Mahanjanga, ka tafiakatra 9 raha kely indrindra no namoy ny ainy, ary maro ny naratra. Mirarakopana ny loza mahatsiravina noho ny antony maro, ka ilaina ny mailo sy mitandrina hatrany. Misy pitsopitsony maro mila fehezina: fahafehezana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana, tsy fandehanana mafy loatra, fanamarina sy fitsirihana lalandava ny lafiny teknika sy mekanikan’ny fiara, fanaraha-mason’ny mpitandro filaminana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT