Fifamoivoizana

Loza eny amin’ny lalam-pirenena Mandragaranga sazy henjana ny Minisitera mpiahy


  • Alarobia 19 Janoary 2022

Naneho ny fiaraha-miory amin'ireo namoy havana aman-tsakaiza ary nirary fahasalamana ho an’ireo naratra ny avy eto amin'ny Ministeran'ny Fitaterana omaly 18 janoary 2022 manoloana

 ireo lozam-pifamoivoizana izay nitranga tato ato teny amin'ny lalam-pirenena ka naharatrana sy namoizana ain'olona. Nilaza ho mandray andraikitra avy hatrany manoloana ireny lozam-pifamoivoizana ireny ny ministera amin'ny alalan'ny fampiharana sazy ho an'ireo nihavian'ny loza, toy ny: Fisintonana avy hatrany amin'ny fotoana voafetra na tsia ny « licence » ho an'ny fiara ; Fisintonana avy hatrany amin'ny fotoana voafetra na tsia ny fahazoan-dàlana mamily ho an'ny mpamily ; Fiantonan’ ny taratasy ara-panjakana ho an'ny sampan'asa-pitaterana; Fiantonana amin'ny fotoana voafaritra na tsia ny asa-pitaterana ho an'ny sampan'asa-pitaterana ; Fampiatonana ny zotra voakasiky ny lozam-pifamoivoizana mandritra ny fotoana voafetra. Nomarihina fa mila mameno ny « fiche de déclaration d'accident » 48 ora farafahatarany aorian'ny nitrangan'ny lozam-pifamoivoizana ny mpamily sy ny sampan'asam-pitaterana voakasika. Mitarika fampiatonana ny taratasy ara- panjakana ho an'ny sampan'asa-pitaterana manditra ny fotoana voafetra ny tsy fanatanterahana izany. Ny avy eo amin'ny zandarimariam-pirenena kosa no miandraikitra ny sazy araky ny lalna na ny « sanction pénale » ho an'ireo nihavian'ny loza. Nohamafisina sy notsiahivina ny tokony hanarahana ny làlana mifehy ny asa fitrandrahana, ny tsy maintsy hamenoana ny « MANIFOLD » izay manampy amin'ny famantarana ireo niharam-boina rehefa misy loza Tsy fandehanana mafy, indrindra amin'ny làlana tery sy maro fiolanana, ny famerana ny hafainganam-pandeha, ny tsy maintsy hanaovan'ny fiara rehetra zotra nasionaly « caravane » miaraka amin'ny « escorte » avokoa. Fanajana ny fialan-tsasatra ora 8 isaky ny "voyage" Fanajana ny haavon'ny entana entina.
Toky R
Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT