Fifamoivoizana

Loza ateraky ny moto Nahafaty olona 15 tao anatin’ny 3 volana


  • Alarobia 07 Oktobra 2020

Mitombo isa hatrany ireo loza ateraky ny kodiaran-droa na ny moto eto amintsika. Raha araka ny fantatra mantsy dia nahatratra 39 isa izany tao anatin’ny 3 volana raha mitotaly 55 kosa ny lozam-pifamoivoizana tamin’ny ankapobeny.

 

 

  Ny 15 isa tamin’ireo dia namoizana ain’olona avokoa ka anisan’ny tena voakasika ny moto. Vokatry ny tsy fahafehezana ny lalana mifehy ny fifamoivoizana, ny tsy fahatomombanana ara-teknika no voalaza fa antony mahatonga izany. Eo ihany koa ireo zatovo misetrasetra tsy mahalala ny hahafaty azy hany ka mitera-doza hatrany. Tsiahivina moa fa mahatratra 60 isan-kerinandro ny moto lafona toeram-pivarotana iray eto amintsika ka tafiditra ao anatin’izany na ireo moto vaovao na ireo efa niasa. Manodidina ny 7 hetsy Ar kosa dia efa mahazo iray amin’izy ireny, antony manosika ny rehetra hampiasa ny kodiaran-droa izay vahaolana haingana ialana amin’ny fitohanana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT