LOZA ANY AMIN’NY LALAM-PIRENENA

Ahena amin’ny alalan’ny fitsirihana hoy ny DGSR


  • Zoma 24 Janoary 2025

Efa mba nihena raha araka ny fanadihadiana natao ny lozam-pifamoivoizana nitranga tany

amin’ny lalam-pirenena tato ho ato. Vokatry ny fitsirihana nataon’ny DGSR teny amin’ireo tobim-piantsonana misy eto amintsika no voalaza ho antony nahatonga izany indrindra fa ilay eo am-piaingan’ny taxi-brousse iny. Raha araka ny fanazavan’Atoa Reribaky Jeannot mantsy dia betsaka ny tsy fitandremana hataon’ny mpamily nefa ain’olona no tateriny. Lohalaharana amin’ireny ny fandehanana mafy. Eo ihany koa ny fisotroan-toaka sy ny fifohana rongony raha misy ihany koa ny lafiny ara-teknika mety mahazo ilay fiara toy ny kodiara vaky…. raha ny fanazavany hatrany. Ezahin’izy ireo hotohizana io fitsirihana io raha araka ny fantatra ho fiarovana ny ain’ny mpandeha. Nomarihiny manokana moa fa ireo mpamily manao vadin’asa amin’ny ankapobeny no tena mitera-doza noho izy ireny tsy ampy torimaso… ka ilana fanaraha-maso manokana.
Pati
Tahirin-tsary : Tsy dia nandrenesana loza firy tahaka izao intsony tato ho ato tany amin’ny lalam-pirenena !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT