Loza an-dalamby

3 no namoy ny ainy, 6 naratra mafy


  • Alakamisy 01 Febroary 2024

Nitrangana lozam-pifamoivoizana an-dalamby omaly maraina tokony ho

tamin’ny 10 ora sy 40 minitra tany amin’ny zotran-dalamby FCE (Fianarantsoa Côte-Est). Teo amin’ny PK 110 Sahasinaka 2km tsy hidirana ny gara no nitrangan’izany, ka olona miisa 3 no indray namoy ny ainy. Raha araka ny fantatra dia maty voatsindry ny iray, ny iray hafa maty teo noho eo raha mpiasan’ny lalamby tratry ny tsy nampoizina kosa ilay iray. Vokatry ny fihemoran’ilay lamasinina laharana T0432 no antony niteraka izao loza mahatsiravina izao raha ny loharanom-baovao azo teo anivon’ny FCE mampitohy an’i Fianarantsoa sy Manakara. Efa somary antitra koa ilay fitaovam-pitaterana ka efa misimisy ihany ireo tsy fahatomombanana hoy hatrany ny vaovao. Ankoatra ireo maty moa dia miisa 6 ireo naratra, ka iray amin'ireo no zandary. Efa nalefa tany amin’ny tranom-paty ary efa noraisin’ny fianakaviana ny nofo mangatsiakan’ireo namoy ny ainy sasany raha efa manaraka fitsaboana any amin’ny hopitaly any an-toerana kosa ireo 6 ambiny naratra. Raha araka ny fantatra moa dia nisy tapaka, nisy vaky taolana….ireto farany.

Efa lozam-pifamoivoizana fanintelony tamin’ny FCE io, saingy ity no namoizana ain’olona. Voalaza moa fa nafana ny lamasinina, ka izay no niteraka fihemorana, ka nahatonga izao loza izao.
Pati
Legende : Tahaka izao no nihafaran’ilay fiaran-dalamby nihemotra teo Sahasinaka !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT