Fifamoivoizana

Lehilahy voahosin’ny “Camion” Nikarepoka ny lohany, nikarainkona ny vatany


  • Zoma 11 Aogositra 2017

Nampivarahontsana ny lozam-pifamoivoizana niseho teny Anosizato omaly tokony ho tamin’ny 2 ora. Lehilahy 57 taona avy eny an-toerana ihany no maty tsy tra-drano voahitsaky ny “camion” teo amin’ny lohany sy ny ilan’ny vatany, ka nijininika ny ra.


Nijapy fiara “camion” lehibe iray teny am-pandehanana izy ary nangataka vola tamin’ny mpamily, saingy tamin’izay no nahavotsotra ny tanany tsy afaka namikotra, ka nianjera mafy, ary voahitsaky ny fiara “camion” iray hafa, raha ny fitantaran’ny manodidina. Nentina avy hatrany tany amin’ny polisy ilay fiara nahafaty azy, mba hisorohana ny korontana mety hiseho. Fotoana fohy dia rakotra olona teny an-toerana, ka nanahirana ny nandamina azy ireo, izay samy liam-baovao sy te hahita ny zava-niseho, ka niditra an-tsehatra nanao ny fandaminana ny zandarimariam-pirenena. Saika isan’andro no handrenesana loza mahatsiravina tahaka izao, ary matetika, dia vokatry ny tsy fitandremana na ho an’ny mpamily na ho an’ny hafa. Rehefa ho avy tokoa ny loza, dia tonga dia tsy hampoizina mihitsy, ka tonga amin’ny fitenenana hoe patsa iray tsy omby vava, ka ny mailo sy mitandrina, ary manaja ny lalàna hatrany no fisorohana tsara indrindra.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT