sakan-dàlana, fitohanana, herisetra,…
Tezitra mafy ireo mponin'Ankasina etsy amin'ny lalam-baovao omaly Alarobia 19 Novambra maraina ka nandoro kodiarana sy nanapa-dalana nandritra ny ora 2 teo ho eo. Niteraka fitohanana goavana teny amin'iny faritra iny izany izay nitohy hatramin'ny omaly hariva ka nanelingelina ny fifamoivoizana. Nisy lehilahy iray naman'izy ireo nitsahin'ny fiara tsy mataho-dalana mantsy teny amin'iny faritra iny afak'omaly Talata 18 Novambra nifoha omaly Alarobia 19 Novambra tokony ho tamin'ny 04 ora maraina ka maty tsy tsa-drano raha tsiahivina. Notaritin'io fiara tsy mataho-dalana io lavitrabe ny namanay vao navelany, antony namoizany ny ainy hoy ny lehilahy iray mponina eny amin'iny faritra iny. Ankoatra izay hoy ity farany dia mbola nitsoaka ihany koa ilay fiara ka tsy mbola hita. Avereno ny casseur de vitesse izay nongotana hoy izy ireo. Hatramin'ny nialan'io casseur de vitesse io mantsy dia nanambara ireo mponin'Ankasina fa lasa diso mandeha mafy loatra ireo fiara mandalo eny amin'iny faritra iny ka mamono olona tahaka izao no hiafarany. Teo ihany ilay fitakiana fa nandritra io hetsika fanapahan-dalana nataon'ny mponin'Ankasina io dia maro ireo niharan'ny herisetra. Moto iray no fantatra fa may. Nisy koa ny reseverana taksibe voadaroka narahina gafy natao tamin'ireo fiara hafa. Inona moa ny fahadisoan'ny hafa ka nanaovana herisetra sy nanimbana fananan'olona no sady nanapahana ny lalana? Tsy manamaivana ny maty fa moa ve ny fametrahana ny « casseur de vitesse » no tena vahaolana sa sao dia tokony ho hisy fahatsapan-tenan’ny rehefa fa misy andraikitra iaraha-manana ? Misy fanabeazana sy ny fifanabeazana hanaja ny lalana mifehy ny fifamoivoizana tokony hamafisina ?
Pati
Légende : Tapaka tsy azo nandehanana nandritra ny ora roa teo ny tety Ankasina omaly maraina, nitohy hatramin'ny hariva !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.