LEHILAHY MATY TAO IFANADIANA

Tombanana ho mamo dia nifatratra tany ambany kamiao


  • Alatsinainy 26 Febroary 2024

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina ny Sabotsy 24 Febroary

folakandro lasa teo tao an-tampon-tananan’Ifanadiana. Kamiao lehibe iray mitarika feno entana hiazo an’i Manakara no nanitsaka lehilahy iray tombanana eo amin’ny 45 taona eo ho eo hoy ny vaovao ka nipotsaka hatramin’ny ati-dohan’ity farany. Ilay kodiarana aorian’ilay kamiao no fantatra fa nanitsaka azy. Raha araka ny loharanom-baovao hatrany dia nivoaka ny magazay izay tombanana ho avy nisotroany toaka ity lehilahy ity. Tafintohin’ny vato tampoka izy nandritra izany ka avy hatrany dia nianjera ary nifatratra tao amin’ny kodiaran’ilay kamiao lehibe nitarika nandalo. Nipoaka toy ny kodiarana vaky mihitsy ny lohan’ity lehilahy ity hoy hatrany ny vaovao ka tsy nisy azo natao intsony. Tamin’io andron’ny Sabotsy io ihany moa dia nentina natao famorotana ilay mpamily raha nalefa tany amin’ny tranom-paty kosa ny razana niandry ny fianakaviany naka azy.
Pati
Legende : Tsy mamela mahazo ny kamiao semi-remorque tahaka izao rehefa manitsaka !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT