Lavaka be eo Ambohijatovo

Efa ela ihany no nampitaraina ireo mponina


  • Alakamisy 01 Febroary 2024

Mba jereo re tompoko dia amboary haingana io lavaka manoloana an'i Gilbert Rakotomanana

miakatra Ambohijatovo io fa tena miteraka fitohanan’ny fifamoivoizana mahatsiravina, hoy ny filohana antoko politika iray omaly tao amin’ny tambazotran-tseraserany nitaraina mafy mikasika ity lavaka be eo amin’ny toerana voalaza teo ity! Bizo na “Buse de 40” no potika ao ary tsy dia tokony ho ela raha ny fahitako ny hadirin’ny fahasimbana, hoy izy. Efa ela ihany moa no nampitaraina ireo mponina eny amin’ny manodidina sy ny mpampiasa lalana eny an-toerana ity toe-draharaha ity. Andrasana indray ny fandraisan’andraikitry ny tomponandraikitra. Handrasana hitovy tamin’ny fiitaran’ny fakobe tetsy Anosipatrana indray ve sanatria? Lavaka be eo afovoanina arabe no resaka eto ary heverina fa tsy ny resaka fitohanan’ny fifamoivoizana fotsiny no mety ho olana aterany fa ahiana mafy mihitsy koa ny sanatria lozam-pifamoivoizana amin’ny endriny maro samihafa.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT